Ny Minisiteran’ny Tontolo lainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miara-miasa amin’ny Governemanta alemana anatin’ny fikarakarana ny « Pré-Symposium » handinihana ny lohahevitra « Fanomezan-danja sy fiarovana ny zavamananaina ho antoky ny fahasalamantsika : hatsaraina ny fomba fiasa hiatrehana my krizy ara-pahasalamana mety hitranza ». Izao hetsika izao dia fanomanana ny « Symposium International sur la biodiversité et la santé » izay atao any Mahajanga ny 19 hatramin’ny 21 novambra eo ambany fiahian’Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Source : Gazety Ma-laza