13000 ny karazana zavamaniry eto Madagasikara, 80% amin’ireo tsy hita afa-tsy eto amintsika ary ny 40% kosa azo ampiasaina ho fanafody, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-pahazarana eto Madagasikara (ANTM), Andriandrainarivo Josephin, omaly, teny amin’ny Akade­mia nasionaly, Tsimbazaza. Ampiasain’ny mpitsabo nentim-pahazarana hikarakarana ny fahasalaman’ny olona ireo zavamaniry ireo, ankoatra izay, maro ny karazam-biby ilaina amin’ny fitsaboana ny olombelona toy ny kankana, voalavo, sahona, maingoka… ary manasitrana aretina maro. Mampiasa ny zavaboary rehetra manana aina ny mpitsabo nentim-paharazana hamonjena aina. « Mila arovana ny rohivoahary eto amintsika satria misy fiantraikany sy ampiasaina amin’ny fahasalamana », hoy ny minisitry ny Fampi­anarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, i Assouma­cou Béatrice Elia. Efa nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny minisitera tantaniny sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy tamin’ny taon-dasa momba izay fiarovana izay. Fise­hoana fidinan’ny hery fiarovana eo amin’ny olombelona vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana ny valanaretina Covid-19, hoy ny tale jeneralin’ny JCR sady ma­nam-pahaizana momba ny fanomezan-danja ny rohivoahary, Ratsimivony Claude.
Hoavy ny mpikaroka vahiny
Manomana fifanakalozana iraisam-pirenena any Mahajan­ga, ny 19 sy 20 novambra ho avy izao ny minisitera telo voakasika : Fahasalamana, Tontolo iainana ary ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miaraka amin’ny mpiray ombonan’antoka alemà GIZ. Hodinihina any an-toerana ny paikady sy ny asa tokony hatao haingana ahafahana miaro ny rohivoahary ho tombontsoan’ny fahasalamam-bahoaka. Handray anjara ny mpikaroka malagasy sy vahiny efa mpisehatra amin’ny tontolo iainana sy fahasalamana ary ny rohivoahary.

Source : Newsmada.com